- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Zaza nangalarina, nofatorana tanana sy notampenana maso

Ambatondrazaka : Zaza nangalarina, nofatorana tanana sy notampenana maso

Nisahotaka ny fokonolona tao amin’ny fokotany Andingadingana Ambatondrazaka,  ny harivan’ny   12 Septembra 2017 teo tokony  ho tamin’ny 5 ora hariva  noho ny tsy fahitana ity zazavavy kely vao    handray 11 taona ity . Nirahina nantsaka rano ity  zazavavy ity ka nisy môtô roa araka ny fanazavana  avy hatrany  dia nibata azy ka  nanampina ny vavany , nentin’izy ireo tao anaty kirihitra ilay zaza  ka nofatorana ny tanany. Rehefa nanomboka maizina ny andro, dia niezaka ny namaha ilay fatorana tamin’ny nify  ilay zaza ka tafaporitsaka  sy nandositra, hoy  hatrany ny fanazavan’ilay zaza. Niezaka ny nanaraka hoy ny fanazavana  ireto jiolahy,  ny andro anefa nanomboka maizina ka afaka nisitrika ilay zaza .Ny alin’ny  12 septambra  2017 io ihany, dia nisy olona mpiambina saha nahita   ilay zaza izay efa  reraka sy nalemy ka nampiantrano azy. Ny maraina vao nentina tao amin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany tao Avaradrova Ambatondrazaka  ilay zaza, nahoraka ny feo ka tonga ireo fianakaviana sy ny ray aman-drenin’ilay zaza  nanaraka avy any Andingadingana izay  lalana  5 km miala ny tanànan’Ambatondrazaka.  Mbola natahotra ilay zaza sady mivanditry ny fatotra ny tanany sy ny masony  ka nentin’ny fianakaviana namonjy mpitsabo tany  amin’izy ireo . Miteraka resabe eo anivon’ny fiarahamonina ity hala-jaza ity, satria mahoraka ny mety ho fivakisana karierana vato indray  ka mety hitady sorona. Samy mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny zanany ny rehetra amin’izao fotoana izao, mandeha rahateo ny fanadihadiana

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici