- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Zaza tsy ampy taona nitondra fiarakodia nahafaty olona

Ambatondrazaka : Zaza tsy ampy taona nitondra fiarakodia nahafaty olona

Zaza 8 taona  nilalao teo amoron’ny arabe no nofaohin’ity fiara 4X4 iray  ny marainan’ny Alahady faha 14 Aogositra 2016 teo tokony tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Araka ny loharanom-baovao dia ankizy telo samy tsy ampy taona no nitondra ’ity fiara ity, nivilivily ilay fiara ary saika nandona tranon’olona. Voavily ihany anefa ka rehefa nahazo lavaka iray dia somary nitrena ka nifatratra tany amin’ilay zaza  nilalao teo amoron’ny lalana. Mafy ny fandonana ka tsy nahahetsika avy hatrany ilay zaza satria ny loha sy ny andilany no tena voa mafy ,nihintsana hatramin’ny nifiny ary nandriaka ny rà  ka  namoy ny ainy  avy hatrany ilay  zaza. Nandositra  ireo ankizy nitondra ilay fiara izay miisa 3 ary nisy mbola kely tokoa, ary saika nodoran’ny fokonolona ilay fiara. Soa ihany fa nisy ireo tompon’andraikitry ny fokontany ary teo akaikin’ny trano iray rahateo ilay  fiara raha tsy izany dia efa may. Nampandre teny anivon’ny polisy ny vahoaka ka nosamborina ilay mpamily izay vao 17 Taona ary tsy hita kosa ireo ankizy namany. Toa lasa misesy hatrany ny lozam-pifamoivoizana aty Alaotra amin’izao fotoana izao ka tokony ho jerena  akaiky .

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici