Roa herinandro taorian’ny nanolanan’ny sasany vehivavy iray izay voalaza fa noloarana ny masony, ankizy vavy indray no niharan’ny herisetra
Notsindronina tamin’ny bararata ny vavan’ilay zazavavy 11 taona, malalaka tahak’ireny noloarana ireny ny fivaviany ary tsy tao intsony koa ny lelany, teo amoron-drano akaikin’ny bararata no nanariana ny fatiny. Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao amin’ny kaominin’Ilafy ao amin’ny fokontany Bekabaro ny alarobia 28 may 2014 teo tokony tamin’ny 6 ora hariva. Nirahina hividy zavatra ity zazavavy ity ny hariva, ka rehefa tsy niverina dia nitady ireo ray aman-dreny. Nisy fety rahateo tao an-tanana ka nihevitra ireto ray amandreny fa namonjy fety ilay zaza. Ny marainan’ny alakamisy 29 may 2014 tamin’ny 7 ora no hita ny fatin’ilay zaza tao anatin’ny alam-bararata teo amoron’ny ranofasika. Hita lavitra io toerana io ilay zavatra novidin’ilay zaza. Midika izany hoy ny fanazavana fa avy nividy zavatra ilay zaza vao nisy nanao ankeriny. Novetavetaina sy nanaovana fomba ratsy dia nariana teo amoron’ilay renirano. Mihorohoro tanteraka ny mponina amin’izao fotoana izao, satria miely ny feo ratsy etsy sy eroa amin’ny hoe misy mangalatra taova taorian’ilay vehivavy noloarana ny voamasony dia naolana tao Ambohitranjakana vao tamin’iny herinandro ambony iny Manaitra ny rehetra ireo ray aman-dreny amin’ny firavan’ny mpianatra amin’ny 6 ora ny hariva mba tokony ho jerena, satria efa tena maizina io ora io. Mandray andraikitra ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao taorian’ny fizahan’ny dokotera.
Janus R