- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : zazavavy 15 taona natao takalonaina, nitaky 14 tapitrisa ar ireo...

Ambatondrazaka : zazavavy 15 taona natao takalonaina, nitaky 14 tapitrisa ar ireo jiolahy

Mihorohoro tanteraka ny aty Alaotra amin’izao fotoana izao noho ny fisian’ireo olondratsy maka takalonaina ary mitaky volabe. Tao anatin’ny andro vitsivitsy no tsy nahitana ity tovovavy kely vao 15 taona ity. Raha araka ny nambarany dia nisy jiolahy nanafika izy ireo ka nitady volabe sy nidaroka ny rainy. Rehefa tsy nahafapo azy ireo  ny vola sy ny fananana

azony dia nentiny ity zazavavy ity ka nambaran’izy ireo fa raha tsy manome 14 tapitrissa ariary ny fianakaviana dia hovonoina ilay zaza. Natahotra ny fianakaviana ka dia raikitra nivarotra tanimbary  handoavana io vola io, ilay zaza rahateo nasitrik’ireo jiolahy lavitra. Rehefa vory ilay vola  dia natao ny fotoana, ny faha 21 aogositra 2014 teo tokony tamin’ny 4 ora hariva, tao anaty Bararata andrefan’ny tanànan’i Marianina Ambatondrazana. Nanana ny paikadiny ireo jiolahy  ka rehefa  tonga io ora io dia mody niantso lehiben’ny fokotany ny iray tamin’izy ireo, ka itsy farany no niantso ny polisy  mba hamotsorana ilay takalonaina, kinanjo tara ny fandoavana ny vola  ka nahavotsotra ilay takalonaina. Nipetrapetraka rahateo ny velapandrinaka nataon’ny polisin’Ambatondrazaka. Nanambara ny kaomisera divisionera, Atoa Randriamihamina Wilson,  izay lehiben’ny polisin’Ambatondrazaka,  fa tsy maintsy hofoanana ny mpanao ratsy amin’izao fipetrahany eto Ambatondrazaka izao. Manaitra ny rehetra hanome antontam-baovao ny mpitandro ny filaminana  hahafahana mamongotra ny ratsy. Mbola  mitohy hatrany ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana aty Alaotra amin’izao fotoana izao  ka inoana fa ho fantatra ny atidoha nikotraika izao halatra olona aty Alaotra izao.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser