- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Zazavavy 9 taona nampijerena sary vetaveta dia naolana

Ambatondrazaka : Zazavavy 9 taona nampijerena sary vetaveta dia naolana

« Notambatambaziny aho dia nasainy niditra tao an-trano, nasainy nijery film izay tiako aho fa tsy nahita ka izy no nandefa horonan-tsary vetaveta, ka nasainy niakatra teo ambony farafara ka notampenany ny vavako ka nataony teo aho ». Io no nambaran’ity zazavavy kely vao 9 taona monja ity raha nanontaniana. “Nambarany fa hovonoina aho raha miteniteny amin’ny olona”, hoy izy nanohy ny resany. Ny alakamisy lasa teo no nisehoan’izany araka ny fanazavan’ny renin’ilay zaza ka ny fitarainan’ny zanany taminy ny alatsinainy teo no nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra ny hametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro ny filaminana ary ny fanatonana ny tobim-pahasalamana eto Ambatondrazaka ho fanamarinana. Tovolahy iray no voambara fa nanao izany fanolanana izany ka efa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana hanaovana ny fanadihadiana hahitana ny tena marina. Manda mafy anefa ity tovolahy ity amin’izao fotoana izao ka ho hita eo ny tohin’ny fanadihadiana. Toa saika matetika ny tranga tahaka izao amin’ireo ray aman-dreny variana amin’ny asa aman-draharaha ka hadino ny fanaraha-maso ny ankizy ka manararaotra ny ratsy

Janus R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser