Telo andro hatreto. Mbola tsy hita tany nanjavonana ireo ankizy enina mianadahy, tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy hariva lasa teo teny Ambatonilita. Araka ny fantatra dia vao avy nirava nianatra tao amin’ny sekolim-pinoana iray teny an-toerana izy ireo izao tsy niverina tany an-tranon-dray aman-dreniny izao intsony. Mameno ny tambajotra sosialy ny filazàna fampitadiavana ireto ankizy ireto, dia i Marc, manao « Capuchon », pataloa « jeans » mainty sy kiraro fotsy sy Luc, rahalahiny, izay manao « bouson mainty », short misoratsoratra sy « tennis » fotsy, Sariaka, Vonjy, Rolland ary Toky. Ankizy izay samy manodidina ny 14 ka hatramin’ny 16 taona eo ho eo avokoa ary mpinamana sy iray sekoly. Tambajotra sosialy izay, raha ny nambaran’ireo ray aman-drenin’ny sasany amin’izy ireo, tafaresaka taminay, fa mety ho fositra amin’izao tsy fahitàna azy ireo izao. « Samy mpikambana ao anatin’io « facebook » io avokoa izy rehetra ireo », hoy ny rahalan-drain’izy mirahalahy. « Talohan’izao fanjavonan’izy rehetra izao dia henoko miresaka izy roalahy fa toa hoe misy an’izany « plan » tsara be izany any ho any, ao anatin’io « facebook » io ». Ny fanontaniana mipetraka dia ho aiza io toerana io ? Fantatra fa efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ankehitriny ny raharaha sy ny fikarohana ireto ankizy tsy hita ireto. Araka izany, ho an’ireo izay mahita na mahafantatra vaovao mahakasika azy ireo dia entanina mba hanatona ny biraon’ny mpitandro filaminana.
m.L





