Raha teo am-pikasana hanafika « villa » iray teny amin’iny faritra Ambatoroka iny mihitsy ireto roalahy no tonga haingana ireo pôlisy avy amin’ny UIR, ny alin’ny alahady lasa teo. Raikitra ny fifampitifirana ka ny iray tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ny bala, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena.
Raha ny fanazavàna azo hatrany dia nisy ny vaovao tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny mety hisiana fanafihana teny amin’iny faritra Ambohimanamboka sy Ambatoroka, akaikin’ny « Villa Berlin » iny. Amin’izao toe-javatra mihatra amin’ny firenena izao dia tsy nanao ambanin-javatra izany angom-baovao izany ireo pôlisy ary nametraka paik’ady sy velam-pandrika teny amin’ireo faritra ireo. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, ny alahady teo dia nahatsikaritra roalahy nihaodihaody tamina tanana iray teny Ambatoroka ireo mpitandro filaminana. Nanatona avy hatrany ireto farany ary nanao fampitandremana. Vao nahita ireto pôlisy kosa ireo roalahy avy hatrany dia nitifitra azy ireo no sady nanao tari-dositra. Voatery namaly araka izany ireo polisin’ny UIR, ka tamin’izany no nahafaty ilay mpifanandrina tamin’izy ireo iray raha tafatsoaka kosa ilay namany. Basy vita gasy iray niaraka tamin’ny bala miisa roa moa tra-tehaka tany amin’ity jiolahy maty voatifitra ity. « Marihana hoy ny vaovao fa jiolahy efa voamarin’ny pôlisy fa nanafika « cash point » teny Mausolée izay nahafatesana pôlisy iray io jiolahy maty io. Ankoatr’izay dia nanao fanafihana nitam-piadiana teny amin’iny faritra Isoraka, Tsiadana ary Ankatso. Tsy vitan’izay fa mbola isan’ireo voarohirohy tamina fanafihana toerana fivarotana solika tetsy Ankorondrano ».
m.L