Efa ela ihany ireo mponina eny amin’iny faritra Ambatoroka iny no nanaitra ireo tompon’andraikitra, ny amin’ny fisiana lavaka iray amoron-dalana, izay mety ahiana hitera-doza, indrindra fa amin’izao fotoana fahabetsahan’ny orana izao. Lavaka miha-mitombo halalina isan’andro isan’andro noho ireo rano mikaoka ny nofon-tany. Omaly, vatana mangatsiaka ana lehilahy no hita tao anatin’izany lavaka izany. Lehilahy manodidina ny 35 taona eo ho eo izy io, raha ny tombatomban’ny olona. Heverina araka izany, fa tamin’ilay oram-be afak’omaly hariva izay namonto sy nahatondra-drano ny arabe sy ny lalana teo an-drenivohitra no antony nahatonga ny loza. Saika saron’ny riaka avokoa mantsy ireo lavaka mety ho lasa fandrika ho an’ireo mpandalo. Raha ny fantatra tokoa mantsy, dia an-dalana hamonjy fodiana ity lehilahy ity tamin’io fotoana io ary efa somary tratra hariva ihany. Ny orana anefa mikija, ny lalana maizina. Isan’andro raha ny fanazavan’ny olona akaiky azy, dia misy mitsena izy rehefa tratra hariva toy io, saingy tamin’io fotoana io dia tsy afaka tampoka ilay mpitsena azy. Ary dia izao loza mahatsiravina izao no nitsena ny fianakaviana. Etsy andanin’izay ihany koa anefa, misy ihany ny fanahiana ny amin’ny hoe tena loza efa hitranga tokoa ve sa sao dia vono olona ? Iaraha-mahalala tokoa mantsy ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao. Indrindra moa fa ho an’ireo mpody alina. Na izany na tsy izany, dia efa tonga teny an-toerana nijery ifotony sy nanokatra ny fanadihadiana ny tompon’andraikitra amin’izany, ka inoana fa ho fantatra tsy ho ela ny vokatr’izany.
m.L