Efa arahin’ny mpitandro ny filaminana maso izy ireo saingy mbola tsy nety tratra ambodiomby aloha hatreto. Marobe ny mpandeha an-tongotra, indrindra ireo tratra alina no nitaraina noho ny nafitsok’ireto andian-jiolahy mpanendaka ireto. Manao andiany izy ireo ary mampatahotra eny amin’ny arabe. Raha sendra ny vitsy noho izy moa, indrindra raha mandeha irery, dia voaendaka avy hatrany. Rehefa nandeha ny fanamarinan’ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa andian-jiolahy iray ihany izy ireto saingy mailaka be amin’ny fifindrafindràna kartie isan’alina. Raha teny amin’ny manodidina an’Antaninarenina no nandrenesana azy ireo ho mihaodihaody amin’ny alina tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, nanomboka ny alin’ny alakamisy teo kosa dia efa tany Ambatoroka tany indray no nisy olona nampandre ny fisian’ny andian-dehilahy mampatahotra sy mandroba ny mpandalo. Mailo ireo jiolahy ary tsy mety mijanona amin’ny toerana iray. Manano sarotra ihany koa ny fitadiavana azy ireo satria be loatra ny elakelan-trano eto an-drenivohitra, hany ka manamora ny fitsoahan’izy ireo. Toe-javatra toy izany indrindra no tena ilaina ny andrimasom-pokonolona mba hahafahana manome vaovao feno hidinan’ny hery vonjy taitra. Saingy noho ny fanànan’ny ankamaroan’ny jiolahy basy dia matetika mihena ny fahavitrihan’izy ireny : ny atody tsy miady amam-bato. Midika izany fa tsy ampy intsony ny fisafoana sy ny fisavàna eny an-dalambe izay efa hita hatramin’izay. Mila miditra any amin’ny maizina sy ny elakelan-trano rehetra any ny mpitandro ny filaminana raha tena vonona ny hiaro…
D.R