Raha tsy ity rangahy iraynandeha fiara sendra nandalo dia tsy fantatra intsony izay nanjo ity tovovavy iray. Tokony tamin’ny 8 ora sy 10 alina omaly, dia lehilahy iray nitondra zava-maranitra no nandrahona sady nibeda azy teo Ambatoroka, tsy lavitra ny Oniversite katolika. Tsy afa-nikofoka ary efa saika nobatain’ilay lehilahy an-keriny izy no nivoaka ilay taoanaty fiara ka nanavotra. Nirifatra nitsoaka nihazo ny lala-kely ilay jiolahy heverina ho mpanolana.
T.M.