- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatotsipihina Ambatolampy : Mpandraharaha nisy nanafika, vola an-tapitrisany maro no lasa

Ambatotsipihina Ambatolampy : Mpandraharaha nisy nanafika, vola an-tapitrisany maro no lasa

Mpandraharaha iray isan’ny tena goavana sy manana ny maha izy azy no nisy nanafika tao Ambatotsipihina distrikan’ Ambatolampy. Ankoatra ny entana lafo vidy noraofin’ireo jiolahy, dia vola an-tapitrisany maro no lasan’ny mpanafaika. Tsy voafaritra mazava tsara hatreto ny totalin’ny vola   lasan’ireo jiolahy faraha ny fantatra dia vola maro tokoa no lasa, satria noho ity mpandraharaha ity manana ny toerany tokoa ao Ambatotsipihina ao. Ankeviny efa fantatr’ireo mpanafika ihany ny fisian’ny vola be tao amin’ity tokantrano ity, vantany vao tafiditra ny trano mantsy ry zalahy, dia ny vola no notakiany avy hatrany. Tokony ho tamin’ny misasakalina no niditra nanao amboletra ny trano ry zalahy rehefa nopitsohiny ny varavarana. Tsy nisy nahare ny tao an-trano tamin’io fa ny varavarana efa nibanaka sy vatan-dehilahy manaloka miaraka amin’ny basy sy fitaovam-piadiana no tazana. Tsy nanaiky mora foana anefa ny tao an-trano, fa niezaka nanohitra ihany, raikitra ny fifanjevoana, saingy tsy natahotra ireo jiolahy ny tompon-trano hany azo natao dia nanaiky sy nanome izay nilain’ireo jiolahy. Nandritra ny fifanjevoana no naharatrana olona telo tao amin’ilay fianakaviana ary nisy ny tena voa mafy tokoa tamin’izy ireo. Ny faran’ny herinandro teo moa no nisehoan’ity fanafihana ity, efa misokatra ny fanadihadiana, araka ny fantatra hatrany dia misy olona iray ahiahiana ho isan’ny nandray anjara tamin’ity fanafihana ity no efa voasambotra. Somary nahagaga ny fianakaviana ihany mantsy ny tsy nanapoahan’ireo jiolahy basy nandritra ny fifanjevoana na dia efa tao anaty sakoroka tanteraka azy ny jiolahy sy ny tompon-trano.   

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici