Veleran-tany 100ha no efa voavoly zanakazo haingam-paniry ao amin’ny faritra izay efa tsy hanaovana fitrandraha intsony. Mahatratra 24ha isan-taona ny velaran-tany hanaovana izany. Nandritra ny fotoana naharitra no efa nikolokolo sy nanao ny fikarohana ny zanakazo ireo tompon’nandraikitra. Nojerena manokana avokoa ireo hazo afaka miara-monina sy ireo hazo saro-bidy ary ireo hazo tsy fahita raha tsy tao amin’ny faritry ny toeram-pitrandrahana. Mialoha ny hanatanteraha ny fambolena dia efa nanao ny fitiliana sy fanaraha-maso ireo manam-pahaizana manoakana ny tany satria esorina ireo nofon-tany ary apetraka amin’ny toerana voatokana. Averina eo indray rehefa afaka avokoa ny tany hanaovana ny fitrandrahana. Namela toerana tsy nokitihina kosa ireo tompon’andraikitra nametrahana ireo karazam-biby maro samihafa. Aorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitrandrahana eto an-toerana dia mbola miasa dimy taona aoriana ireo tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fanerenana ny ala naverina satria efa teo izy ireo no nesorina nangalàna ny tany voafaritra sy nahitana ny akora fototra izay trandrahan’ny orinasa.
Cathy