- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatovy : Mitombo hatrany ny fahasahiranana

Ambatovy : Mitombo hatrany ny fahasahiranana

Hanao ahoana ihany ny ho avin’ny orinasa mpitrandraka nikela sy kobalta ao Ambatovy ? Io no fanontaniana mipetraka amin’ny maro amin’izao fotoana izao noho ny fitontonganan’ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amin’izao fotoana izao mantsy dia  tafidina 9105 dolara ny taonina raha toa ka 52.000 dolara izany tamin’ny 2007. Mazava ho azy fa fatiantoka iray lavaka no manjo ny orinasa noho izany.

Ary dia voatery mandray fepetra isankarazany ny mpitantana ny orinasa mba ho fitsitsiana ka tsy hahafaty tanteraka an’Ambatovy. Politikan’ny fitsitsiana izay miteraka tsy fahampiana eo amin’ny mpiasa sy ny mponina manodidina ny orinasa ao Moramanga sy Toamasina.  Raha ny zavamisy ankehitriny anefa dia vao mainka hitombo izany fahasahiranana izany. Re mantsy fa noho io vidiny ambany loatra, izay miteraka fatiantoka io, dia voatery hakatona ny toeram-pitrandrahana miisa dimy amin’ity taona ity. Manahy ny maro fa mety hisy indray noho izany ny fampihenana ny isan’ny mpiasa. Ny mpitantana ao amin’ity orinasa goavana ity moa dia mikaroka mandrakariva ny fomba tsy hikatonany tanteraka.

R.Edmond.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici