- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatovy Toamasina : Thailandais maty namono tena

Ambatovy Toamasina : Thailandais maty namono tena

Vokatry ny fikaroham-baovao natao no nahalalana fa nahitana olona maty namono tena tao amin’ny faritra fitoeran’ny mpiasa avy any ivelany ao amin’ny orinasa Ambatovy Toamasina, io ilay atao hoe BH09. Hatairana ny an’ireo mpiambina nahita ity teratany Thailandais efa tsy nisy aina intsony tao amin’ity efitrano fandriany ny talata 27 febroary lasa teo. Raha ny  vaovao voaray dia nihantona tamin’ny tady ny tenany tamin’ny nahitana azy, teo amin’ilay fitoerana Rideau no nisy azy nandritra izany. Antsoina hoe Chankham Sathit miasa amin’ny orinasa, SCC Pipe Fitter II, ao Ambatovy ny tenany. Zandary misahana ny fikarohana heloka be vava no nisahana ny raharaha, ary mbola mitohy ny finadiadiana na natao hoe namono tena aza ny tenan’ity teratany Thailandais ity, satria tiana ho fantatra ny antony nanosika azy hamono tena izao ity. Nisy moa ny fandefasana ny razana any an-tanindrazany nataon’ny orinasa hiasany sy ny orinasa Ambatovy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici