- Publicité -
mercredi, décembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmbavahaditokana Itaosy : Tsy lasa lavitra ireo mpangalatra môtô dia voasambotra

Ambavahaditokana Itaosy : Tsy lasa lavitra ireo mpangalatra môtô dia voasambotra

Very ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tao anatin’iny ora-nikija teto an-drenivohitra iny, teny amin’iny faritra Ambavahaditokana Itaosy iny. Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana anefa izy roalahy ka noraisim-potsiny.

« Amin’izao ankatoky ny fety izao dia manao hetsika manokana ny zandary ety Itaosy, amin’ny alalan’ny fisafoana tsy tapaka mandritra ny alina ireo faritra eto an-toerana », hoy ny lehiben’ny tobim-paritra Itaosy. Tao anatin’izay fisafoana izay indrindra, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any, no nifanena tamin’ireto roa lahy nampiahiahy izy ireo, teo am-panosehana môtô. Nampiahiahy satria amin’ny toerana tsy mahazatra, tokony hisy an’izany, hoy ny vaovao. Rehefa raikitra teo ny famotorana dia nibaradaka ihany ry zalahy ireto nony farany : môtô vao avy nangalarin’izy ireo ity tratra ity.

Tsy nijanona teo anefa ny tantara. Nentina notanana natao famotorana avy hatrany izy ireo. Fantatra tamin’izany fa nisy naniraka izy ireo ary ity farany no atidoha tamin’ny resaka halatra môtô eny an-toerana. Fantatry ny mponina ety amin’ny anarana hoe Ingodona, izay efa mpamerin-keloka ikoizana tanteraka mihitsy, raha ny fanazavana azo. « Hatramin’izay nisahanako ny tobim-paritry ny zandary Itaosy dia efa intelo izao no nentina teny anivon’ny tribonaly izy », hoy hatrany ny fanazavan’ity tompon’andraikitra ity. Faninefany amin’izao indray izany ingahirainy no hiditra am-ponja. Marihina mantsy fa samy ekeny avokoa ireo asa ratsy iampangàna azy. Ny mahavariana anefa dia amam-bolana, eo amin’ny enina na valo volana eo ingahirainy no voatazona any am-ponja dia miverina eny anivon’ny fiaraha-monina indray, manohy ny asa ratsiny indray raha ny vaovao azo hatrany. Toe-javatra izay mazàna mampitairana ireo mpitandro filaminana ary mampivarahontsana ny mponina. Tsy Ingodona ihany mantsy fa misy maromaro ireo tontakely izay efa iarahan’ny fiaraha-monina mahalala tsara amin’ny asa ratsy ataony saingy toa tsy voatana ela eny izany : « manao tsidi-pahitra sy manampy traikefa angamba», hoy  ny maro !

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici