Efa manomboka mikiky sy mahazo vahana eto Madagasikara ny fanolanana misy izay hita etsy sy eroa mila an-karetsofina ny mahare azy. Arakaraka ny nandraisana fepetra sy namohoana didy hampiarina hoan’ireo izay tratra manolana amin’ny tokony hamosirana ny navanon-doza, vao maika nampitombo ny fisehoan’ny trangana fanolanana, ary efa mampametra-panotaniana hoan’olona tsirairay avy hoe: fa inona no tena antony mampirongatra an’ilay tranga eto Madagasikara. Raha ny vaovao voaray ao anatin’ny vondrana » Ino Maresaka Boriziny » dia vehivavy tokony ho 18 taona, fantatra amin’ny anarana hoe: Maximine Rasoamira, izay ( classe de seconde ao amin’ny Lycée Port-bergé). Iny an-dalana handeha hamonjy fodiana any amin’ny Ray aman-dreny ao Ambevongo, kaominina ambanivohitra Tsiningia, any amin’ny Disitrikan’i Port-bergé, ao amin’ny faritra Sofia, iny razazavavy no efa maty sy nitsirara teo amin’ny tany, teo akaiky tsy hidirana ny tanànan’Ambevongo, ny marainan’ny talata faha dimy volana Martsa 2024 teo. Rehefa nisy natsikaritra sy nahita moa ny fatin’i Maximine Rasoamira, tonga dia nampiantso nalaky ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ary ny fokonolona tao an-tanàna. Teo no nahalalana, fa tombanana ho voaholana ity tovovavy ity talohan’ny nahafatesany, satria simba ny vantany, ary mety voakapoka no nahitana ratra ihany koa ny tarehany, raha fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra hatrany. Tsy mbola fantatra moa hatreto ny olona navanon-doza. Efa eo am-pelatanan’ny Zandary kosa ny raharaha, ary nilaza tsy hikoso-maso manoloana izao habibiana atao izao izy ireo no handray ny andraikiny tsy misy hatak’andro. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra, dia tsara ny mampahafantatra, fa tsy nianatra tao anatin’ny herinandro ity tovovavy matin’ny herisetra ity fa nahazo fialantsasatra ka niala teo an-drenivohitry Port-bergé, ny Alatsinainy maraina teo, sady nananaraotra hamonjy ny fianakaviany sy haka-vatsy izy,ka izao niharan’ny habibiana izao.
Ratantely