- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbiatibe : Skoto efatra lasan’ny rano, iray namoy ny ainy

Ambiatibe : Skoto efatra lasan’ny rano, iray namoy ny ainy

Fankalazana no naleha, loza no nitranga ny alahady lasa teo. Namono olona indray ny reniranon’i Mananara, tany Andriampamaky. Skoto efa-dahy no indray natelin’ity rano ity. Avotra ny telo fa ny iray kosa namoy ny ainy, raha ny fanazavana azo teny an-toerana. Araka ny fantatra dia nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora tany Ambiatibe no niseho ity loza mahatsiravina, nampanjombona ny andro teo amin’ny tontolon’ireo tanora. Skoto efatra mirahalahy no nanapa-kevitra ny hanala hamohamo ny antoandron’ny alahady lasa teo, ka saika hilalao rano tao amin’ny reniranon’i Mananara. Nony tafiditra tao anaty rano anefa izy ireo no sendra ny patsa iray tsy omby vava. Tsy fantatra mazava mantsy izay nahazo azy efa-dahy ireto fa ny antsoantso vonjy sisa no nanaitra ny olona. Tsy nisy nahay nilomano rahateo izy ireo ka mora tamin’ity renirano ity ny nitelina azy. Samy niezaka namonjy avokoa ireo olona nahita izany. Avotra soa aman-tsara ny telo lahy, raha nifampitadiavana tao anaty rano kosa ny iray. Indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa no nampiakarina avy any fotoana vitsy taorian’ny fikarohana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Vinavina tamin’izany ny hoe, mety ho sendra ny rano mody na rano mihodina izy efatra mirahalahy ireto ka izay antony nampilentika azy ireo. Ao koa anefa ireo niteny fa tokony ho nanontany ny tompon-tany izy ireo talohan’ny nirobohany tao anaty rano. Malaza ho tsy tia vahiny tokoa mantsy iny renirano  tapany Avaratra iny, raha ny filazan’ireo mponina hatrany. Na izany na tsy izany aloha, tokony hitandrina foana ny tsirairay, alohan’ny hirobohana anaty renirano tsy fantatra. Mety ho zavatra tsy ampoizina tokoa mantsy no hamoizana ny ain-dehibe. Ary ny mahay rano ihany no maty an-drano, hoy ny fitenenana. Ny andron’ny nisian’ny loza ihany dia efa nampiakarina taty an-drenivohitra ny razana ary efa nomena ny fianakaviana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser