Nihena maromaro indray ireo olon-dratsy mpanafika, nampitondra faisana iny distrikan’Ambilobe iny. Ny 2 novambra 2025 vao mangiran-dratsy, tao anatin’ny fifandonana tamin’ny zandary tany an-toerana dia dahalo roa lahy, isan’ireo tompon’antoka tamin’ireo fanafihana nanao sesilany tany an-toerana no lavo. Niisa dimy kosa ireo olona voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo no voasambotra, ka isan’izany ‘ny vehivavy iray izay voalaza fa “mpanera” sy tompona fitaovana fampiasan’ireo olon-dratsy. Tsiahivina fa taorina’ireo fanafihana ireo dia nirotsaka nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ny zandary. Efa nisy mihitsy tsongodia natao, tamina andin’olona nampiahiahy. Nahatsikaritra izany anefa ireto farany ka nanao tari-dositra namela kodiaran-droa iray teo. Avy tamin’ity farany no nahasamborana azy ireo tsirairay avy. Marihana fa tsy nety nosamborina mora foana ireto roa lahy namoy ny ainy ireto fa mbola nanita-kevitra ny hitsoaka. Raikitra ny fanenjehana sy ny fifampitifirana ka io niafara tamin’ny ra mandriaka io. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny famotorana ireo voasambotra any an-toerana.
m.L



