- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Dahalo telo lahy tra-tehaka saika nodoran’ny Fokonolona velona

Ambilobe : Dahalo telo lahy tra-tehaka saika nodoran’ny Fokonolona velona

Rehefa nokarohina nandritra ny iray volana latsaka kely, ireo dahalo nitam-piadianana nangalatra omby  13 tao an-tanànan’ Ambodiamontana, Fokontany Andrafiamena any amin’ny Kaominina ambanivohitry Daraina, Distrikan’i Vohémar, ny 18 jona lasa teo, dia tra-tehaky ny mpanara-dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana tao Ambilobe, ny telo lahy tamin’ireo mpandroba niaraka tamin’ny omby valo saika hamidy, ny dimy jolay teo. Raha araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia saika nodoran’ny Fokonolona velona tamin’ny kodiarana ireto dahalo sarona. Nalaky voafehin’ny mpitandro filaminana anefa izany hatezeram-bahoaka izany, ka atao famotorana lalina ankehitriny ireo mpangalatr’omby voasambotra, ary hatolotra ny fitsarana ao Ambanja tsy hoela ireo dahalo, raha ny loharanom-baovao akaiky ny Polisim-pirenena mandray an-tànana ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici