- Publicité -
jeudi, août 14, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Mpampianatra efa maty iray volana, hita tao an-tranony

Ambilobe : Mpampianatra efa maty iray volana, hita tao an-tranony

Tranga mahatsiravina no nitranga tao Matsabory Ambilobe, ny talata lasa teo. Fatim-behivavy iray, efa lo sy namoaka fofona aok’izany, no hita tao amina tokantrano iray tao an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nisy namono tao an-tranony ihany ity vehivavy ity, izay mananika ny 50 taona eo ho eo ary izao vao tsikaritry ny mpiara-monina. Ny fizahana nataon’ireo tomponandraikitra no nahafantarana fa efa ho  iray volana mahery  eo ho eo no nahafatesan’ity ramatoa ity. Mpampianatra any amin’iny faritra iny izy, ary ny mahagaga, dia toa tsy naharototra ny rehetra ny tsy fahitana azy tao anatin’izay iray volana maninjitra izay. Tsy vitan’ny hoe novonoina ity ramatoa ity fa mbola nangalarina ihany koa ny entana. Nambaran’ireo mpitandro filaminana mantsy, fa “tsy hita tao an-tranony intsony ny ankamaroan’ny fananany”. Nataon’ireo tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana  avy hatrany ny famotorana ka fantatra tamin’izany fa nisy olona roa nahiahiana ho nahavita izao heloka bevava izao. Nosamborina avy hatrany moa izy ireo ary nalefa any Antsiranana ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka, raha ny vaovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici