Tovolahy roa amin’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana arahina vono olona any amin’ny Distrikan’Ambilobe sy ny manodidina iny, no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ny Sirama, afak’omaly. Raha ny vaovao voaray, vao nivoaka ny fonja ny iray tamin’ireo jiolahy tra-tehaka. « Tsy niherina akory ny herinandro nivoahan’ity tovolahy iray ny fonja, dia tra-tehaka nangalatra moto izy », hoy ny Zandary. Ny jiolahy azo sambo-belona faharoa kosa, raha ny fanazavana azo hatrany, dia olona mbola mamita ny saziny any am-ponja noho ny vono olona, kanefa izao tafavoaka izao izy noho ny antony tsy fantatra, ary manohy hatrany ny asa ratsiny izao. Karohin’ny mpitandro filaminana fatratra kosa amin’izao ireo jiolahy tafaporitsaka naman’ireto roa lahy voasambotra.
Eric Manitrisa