- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Mpandeha nipitika avy eny ambony traktera, maty voahitsaky ny kodiarana

Ambilobe : Mpandeha nipitika avy eny ambony traktera, maty voahitsaky ny kodiarana

Tsy ny fandehanana mafy ihany koa akory no mety hiteraka lozam-pifamoivoizana fa eo ihany koa ny lalan-dratsy. Ny alatsinainy maraina lasa teo, tany amin’iny faritra Ambilobe iny, lehilahy iray no nipitika avy eny ambonin’ny “tracteur” nandehan’izy ireo. Vokany, voahosin’ny kodiarana avy aoriana ity rangahy ity ary namoy ny ainy. Faty roa be izao no nivoaka tao amin’ireto fianakaviana ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary mantsy dia handeha handevina izy ireo, tany amin’ny fokontany Ambatoharanana, no sendra izao loza izao. Toy ireo fitaterana rehetra any ambanivohitra any, efa somary za-dalàna ilay traktera ka nandeha mafy. Teny an-dalana anefa, noho ny lalan-dratsy dia nisy tamin’ireo mpandeha no nianjera avy ambonin’ity fiara ity. Tsy vitan’ny hoe nianjera teny am-pandehanana anefa ity rangahy ity fa mbola voarain’ny kodiarana ihany, ary voahosy tanteraka mihitsy. Nisomaritaka noho izany ireo mpandeha rehetra, niezaka namonjy ilay nianjera, sy nitondra izany tamin’ny toeram-pitsaboana. Noho ny ratra mafy nahazo azy anefa dia tsy tana intsony ny ainy. Teo anatrehan’izay, niakatra ny hatezeran’ireo fokonolona sy ireo fianakaviana ka saika hamono ilay mpamilin’ilay “tracteur”. Soa ihany anefa fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana nisakana izay fitsaram-bahoaka izay sy nitondra azy tany amin’ny biraon’ny zandary. Nilamina ny tany an-toerana taorian’izay, raha ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici