- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Olona tao anaty fiara 4x4 voalaza fa nangala-jaza, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambilobe : Olona tao anaty fiara 4×4 voalaza fa nangala-jaza, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nopotehin’ireo fokonolona tsy nanan’izy ireo antra ilay fiara voalaza fa nangala-jaza.

 Tsy nisy fanontaniana fa avy hatrany dia daroka avy hatrany ny nahazo ity mpamily, avy tamin’ireto fokonolona efa romotry ny hatezerana. Nahitàna fahapotehana goavana ihany koa ny fiara nentiny. Voalaza mantsy fa hoe avy nangalatra zaza telo mianadahy ity fiara ity. Tranga niseho tany Ambilobe ny alahady lasa teo. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany no nisy nampandre ny zandary fa misy trangana hala-jaza tao amin’ny fokontany Ambalamahatsinjo, kaominina Ambilobe. Fiara tsy mataho-dalana iray no tratry ny fokonolona ary tsy iza ny olona ao anatiny fa mpandraharaha manana ny maha-izy azy teo eo an-tampon-tanan’Ambilobe. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana araka izany ary nahita ny fiara efa potik’ireo fokonolona. Naratra mafy ary tsy maintsy nalefa namonjy hôpitaly kosa ny ny lehilahy iray, mpamilin’ilay fiara, izay niharan’ny hatezeram-bahoaka. Mbola nisy olona efatra hafa kosa tao anatin’ilay fiara, ankizy kely ny telo, izay tsy naninona fa avotra soa aman-tsara. Ny zava-nisy tokoa mantsy, rehefa nidina nijery ny tanimboliny misy ireo fambolena fary ireto olona mpandraharaha ireto, niaraka tamin’ireo zanany telo, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ampitolova, Ambalamahatsinjo, no sady niezaka hitady omby hovidiana ihany koa no nifanena tamin’ny ankizikely miisa efatra, mponina tao Ankijatsara. Raiki-tahotra tamin’ny fisian’ity fiara tsy mataho-dalana tany an-tananany ireto farany ka rafitra nitsoaka sy niery. Ilay zokiny indrindra no nandeha namonjy tanana ary nampilaza tamin’ny fokonolona fa saika hisy hangalatra izy. Nandre izany moa ireto fokonolona izay nihevitra avy hatrany fa lasan’ireo “mpangala-jaza” any ireo telo mianadahy niaraka tamin’ity zokiny avy hatrany dia nanakana ny lalana mety hizoran’izany fiara izany. Tetsy andanin’izay anefa, ny tao anatin’ilay fiara, tsy nanampo na inona na inona fa dia nanohy ny diany hatrany. Kanjo nony tonga teo alohaloha dia fokonolona vinitry ny hatezerana no nanakan-dalana azy ireo. Voadarodaroka avy hatrany ny mpamily ary nopotehin’ireto farany ny fiara. Ireo olobe sy “quartier mobile” ary ireo zandary tonga haingana teo no nanakana ireto fokonolona tsy hanohy intsony ary niaro ny ain’ireo olona hafa tao anaty fiara. Fantatra teo fa tsy “mpangala-jaza” velively ireto farany fa noho ny tahotr’iretsy ankizy kely no namoranan’izy ireo tsaho. Ireo ankizy kely telo niery kosa dia efa hita soa aman-tsara. Nosokafana moa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity tany an-toerana. Tetsy andanin’izay ihany koa, nisy ny fanentanana nataon’ireo zandary tonga teny an-toerana tamin’ireo fokonolona, ny amin’ny maha-ratsy ny fitsaram-bahoaka. Tsy vitan’ny ratsy mantsy fa tena voarara sy henjehin’ny lalàna velona eto amintsika izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici