- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : « Quartier mobile » maty, notetitehina tamin’ny antsy

Ambilobe : « Quartier mobile » maty, notetitehina tamin’ny antsy

Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ny namonoan’ireto nahavanon-doza ity pôlisim-pokontany iray tany amin’iny distrikan’Ambilobe. Voarohirohy tamin’izany ny Sefo fokontany sy ny mpiambina iray namany.

Tokony ho iray volana lasa izay no nitranga ity trangana vono olona mahatsiravina ity. Araka ny fanazavàna azo avy tamin’ireo solon-tenam-pianakaviana dia mety ho fialonana tsotr’izao no antony nahatonga ireo mpamono, handatsaka aina ity raim-pianakaviana ity. Voalaza mantsy fa mahitsy amin’ny asany izy ka mety maro ireo mpialona. Fantatra moa fa ankoatry ny fananany andraikitra amin’ny sehatry ny fampandriana fahalemana eo anivon’ny fokontany nisy azy dia mpiambina amina orinasa iray any an-toerana ihany koa ity farany. Ny zava-nitranga araka ny fitantaran’ireo fianakaviana hatrany dia nidirana tao an-tranony, tamin’ny fotoana nialàny sasatra tsy niasa, mihitsy ity lehilahy ity. Telolahy izy ireo no nanao ny asa ratsy ary ny iray tamin’izy ireo dia voalaza fa mpiambina, iray asa taminy ihany tao amin’io orinasa io. Mody nampiresaka azy ity farany ary niantso ireo namany roalahy nony avy eo. Tsy nisy alaharo alaharo, hoy hatrany ny fitantarana fa avy hatrany dia notetitehin’izy ireo tamin’ny antsy ity lehilahy ity, ary tsy namelan’izy ireo raha tsy tapitra ny ainy. Nandriaka ny rà tao an-trano saingy tsy nahoan’ireo mpamono izany, raha tsy vita izay nataony.

Niditra an-tsehatra avy hatrany nanao ny famotorana tamin’ity raharaha ity ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ka isan’ny voarohirohy tamin’izany ilay namany mpiray asa aminy, ary sefo fokontany iray teo an-toerana. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha moa ka voalaza fa nadoboka am-ponja vonjimaika ireto farany. Nanome didy kosa ireo mpitsara mpanao famotorana ny hitohizan’ny fanadihadiana ary hikarohana ireo roalahy hafa, izay nandray anjara nivantana tamin’ity raharaha vono olona mahatsiravina ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici