- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Raim-pianakaviana nanolana ankizivavy 12 taona, ahiana ho afa-maina ny nahavanon-doza

Ambilobe : Raim-pianakaviana nanolana ankizivavy 12 taona, ahiana ho afa-maina ny nahavanon-doza

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Lino no voatazona ao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao Ambilobe nanomboka ny talata 3 novambra  teo rehefa nokarohina nanomboka ny volana jiona lasa teo. Voarohirohy ho nanolana ankizivavy vao 12 taona monja io rangahy io rehefa nanafina io zaza io tao an-tranony nandritra ny 1 volana manindritra. Manahy anefa ny ray aman-drenin’ity farany fa mety ho afa-maina ity mpanao ratsy ity noho izy toa manana mpiaro tena fetsy sy mahitahita. Raha araka ny loharanom-baovao dia efa tamin’ny 31 may 2020 no niandohan’ity raharaha ity. Tsy hita io ankizivavy mpianatra ao amin’ny kilasy faha-6 ao amin’ny CEG Ambilobe raha niala tao an-tranony tamin’ny 1 ora sy 30 minitra teo ho eo. Niezaka nikaroka azy ny fianakaviana saingy tsy hita io zaza io raha tsy ny 3 jona rehefa nafenin’ity Lino ity tao an-tranony nandritra izay iray volana izay. Hita ihany koa fa efa simba ilay zaza tamin’io nahitana azy io. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ary ny renin’ilay zaza ka nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ka notazonina tao amin’ny kaomisaria. Nandritra izany anefa no nisy lehilahy iray tonga tao nifampiraharaha tamin’ny renin’ilay zaza mba hampiatoana ny fanenjehana ilay nahavanon-doza. Nampanantena ity olona ity fa hanome 600 000 ariary ilay ramatoa. Ity farany izay voalaza fa tsy mahay taratasy ka dia nanaiky fotsiny izay nambara azy. Natao an-taratasy io fifanarahana io. Vokatr’izay dia navoakan’ny polisy i Lino. Tsy notanterahin’ity mpanelanelana ity anefa ilay fampantenana nataony. Satria tsy teo ny rain’ilay ankizivavy tamin’ny nitrangan’izany rehetra izany fa nandeha niasa vato tany amin’ny tanana atao hoe Ifasy. Tsy nanaiky ity farany ka dia namerina ny fitoriana an’ity nahavanon-doza ity teo anivon’ny polisy. Saika tsy nanaiky ny mbola hamerina ny famotorana ireo polisy raha araka ny fanazavan’ny rain’ilay zaza fa raharaha efa vita hono iny. Voalaza ihany koa fa hoe tsy ampy ny porofo hanenjehana ity lehilahy ity. Tsy nisy « certificat médical » tokoa tany amin’ilay renin’ilay zaza. Araka ny fanazavana dia tsy nentin’ny mpanao famontorana tany amin’ny hôpitaly akory ilay zaza mba hakana izany. Na izany aza anefa dia nanaiky ihany ny lehiben’ny polisy, saingy, nametraka fa anjaran’ireo mpitory ny mikaroka io mpanolana io mba hahafahana misambotra azy. Hita tokoa ary ity Lino ity ny 3 novambra teo ary dia izao izy voasambotra izao ary efa anaovana famotorana eo anivon’ny kaomisaria Ambilobe ankehitriny. Manahy noho izany ny fianakavian’ity ankizivavy ity fa sao ho afa-maina indray ity olona toriany ity ka miantso ireo manam-pahefana mahefa mba hanaraka akaiky ity raharaha ity.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici