Rongony milanja 540 kilao niampy trano heva miisa telo ary toeram-pambolena rongony izay mirefy 3ha, nahitana 20.000 fototra tao amin’ny Maroamalona fokontany Bobantsetry kaominina Ambanivohitra Anaborano Ifasy distrikan’i Ambilobe, no sarona nandritra ny fidinana tampoka izay nataon’ny zandary ao tobim-paritra Anaborano Ifasy. Tratra ireo dimy lahy mpanao izany asa ratsy izany, izay nahitana ny mpividy, ny mpamboly, ny mpitatitra rongony avy any amin’io toerana izay antsoina hoe Maroamalona io. Mandeha ny famotoroana ataon’ny zandary ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha. Tsy maintsy nodorana avokoa ireo rongony tratra ireo teo anoloan’ny manam-pahefana. Ny rongony izay anisan’ny zava-mahadomelina mitarika ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika. Anisan’ny sompitry ny rongony ihany koa ny any Ambilobe. Tsy voalohany no nahatrana fambolena rongony, na rongony amin’ny kilao tahaka izao, fa matetika mihitsy. Rava indray aloha ireto mpanao aferan-drogony, ka asa raha mbola hisy sahy hanao ity asa ratsy ity indray aoriana kely. Manao antso avy hatrany ny zandary mba hanome vaovao azy ireo, amin’ny fisian’ny fanaparitahana zava-mahadomelina tahaka izao. Fanetriben’ny firenena ny rongony, ary fahavalon’ny fiaraha-monina.
Yv Sam