Vehivavy iray 22 taona no hita faty tany anaty ala tany Ambilobe, omaly. Rehefa tonga nizaha ny razana ny tompon’andrikitra, dia nahatsapa fa naolana ity vehivavy ity ary rehefa avy eo dia novonoina. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka nojerena ny manodidina ny toerana nahitana ny razana. Tamin’izany no nahitana diana kiraro voalaza fa an-dehilahy. Tsy nijanona teo ny fikarohana fa rehefa nitohy izany dia fantatra fa an’olona iray izay tsy izy fa mpifanolo-bodirindrina tamin’ilay namoy ny ainy io diana kiraro io. Avy hatrany moa dia natao ny fisamborana an’ilay olona. Teny an-dàlana tamin’ny fotoana nitondrana azy hoany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana anefa, dia nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ny olona nanatrika. Hatramin’izao anefa aloha, tsy nisy izany zavatra izany. Efa mandeha ny fifampiresahana isan-karazany. Mitohy ihany koa ny fanadihadiana atao an’ilay lehilahy.
Nangonin’I r.s.