- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilombe : Ady sipa tao anaty alim-pandihizana, tovolahy iray maty voatsatoka antsy

Ambilombe : Ady sipa tao anaty alim-pandihizana, tovolahy iray maty voatsatoka antsy

Nandriaka indray ny rà tao Ambilobe tampon-tanàna, ny alin’ny zoma teo. Raha ny fantatra, dia adina tanora tao anaty trano fandihizana iray tao Tsaramandroso Fokontany Sengaloko no nitarika ny vono olona, ka tovolahy iray no maty voatsatoka’antsy teo amin’ny handriny. Rehefa niakatra ny onjan’ny toaka, dia raikitra ny ady sipa teo am-pandihizana tao amin’ity « disco » ity. Tao anaty haizina sy sakoroka, tovolahy iray no nisy nanindrona antsy teo amin’ny handriny, ka nidaraboka tamin’ny tany ity farany sady nihosin-drà. Raha vao nahita izany ny rehetra tao amin’ity “boîte de nuit” ity, dia nisy tamin’ireo olona namonjy lanonana sy niala voly tao no nitsoaka nivoaka ny trano. Ny hafa kosa avy hatrany, dia nibata an’ity tovolahy naratra mafy nentina namonjy hopitaly haingana, kanefa indrisy fa tsy tana intsony ny ain’ity tovolahy voalaza fa mpanao « lavage » mpanadio fiara sy môtô ity no asany. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tsy fantatra ny olona nahavanon-doza, na dia efa misy ireo ahiahiana amin’ity vono olona nahatsiravina ity. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana sy ny fikarohana  an’ireo olon-dratsy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici