Ny asabotsy maraina no nisy nanatitra tany amin’ny tranompatin’ny HJRA, ny fatina lehilahy lehibe iray tokony ho eo amin’ny 70 taona eo. Araka ny vaovao voaray dia nisy nahita azy efa tsy nisy aina intsony nitsitra teo amoron-dalana io andro io. Rehefa nojerena dia ireny olona tsy manana trano ireny ity namoy ny ainy ity. Tsy mbola fantatra marina ny antony nahafaty azy na vokatry ny hatsika na ny hanoanana. Tsy vitsy amin’izao andro mangatsiaka izao ireo mpirenireny no hita marary eny an-dalana eny. Toa tsy misy koa moa ny fandraisana andraikitra mikasika ireny olona ireny fa dia mitazana fotsiny na ny mpiara- monina na ny tompon’andriakitra isan-tsokajiny.
r.s.