Lalim-paka ny fahantrana sa sahy maty tsy matahotra fanjakana sy fitsarana intsony ny olona amin’izao. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra avy any Toamasina,dia misy andian’olona miditra an-keriny ao amin’ny tanin’ ny filoha teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka, ao Ambodiatafana Toamasina, amin’ny lalam-pirenena faha-5 iny. Na dia hita fa misy miaramila mitam-basy miambina aza amin’ity tokotany malalaka ity, dia mbola sahy manorina trano eo, raha voly mangahazo sy voly avotra no nanombohana izany teo aloha. Manoloana izany nilaza tsy hipetra-potsiny ary hiezaka hamaha ny olana ny zanakalahin’ity filoha teo aloha ity. Efa fantatry Deba ny zavamisy ka nisy fotoana nandehanan’ny filoha Ratsiraka tany, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Sady mba mamangy tanàna e !
Manitrisa