- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmboanjobe : Bar, épicerie ary mpanao finday indray voatafika

Amboanjobe : Bar, épicerie ary mpanao finday indray voatafika

Tsy alina akory ny andro dia efa raikitra ny fanafihana mitam-piadiana tetsy Amboanjobe. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva, ny alatsinainy teo, no nandroba ny dimy lahy izay mitazona basy PA vita gasy iray sy fitaovam-piadiana hafa toa ny sabatra sy zava-maranitra. Mbola mifamezivezy ny olona ary mbola tsy nihidy ny tsena, ny andro rahateo mbola tsy maizina tsara. Teo mihitsy no nampiseho ny fahaiza-manaony ny jiolahy. noteteziny izay toeram-pivarotana tokony misy vola. Tao amin’ny toeram-pisotroana toaka aloha no nanombohany izany. Nahazoan’ireo vola tao. Tsy niala lavitra akory ary tsy nitsoaka fa nivadika tao amin’ny toeram-pivarotana enta-madinika indray. Tao koa dia nahazoany vola sy finday. Izany rehetra izany dia tao anatin’ny fotoana tsy mifanalavitra avokoa. Vao vita ny iray dia niditra tamin’ny fanafihana faharoa. Vita indray izay dia nanafika toerana fanamboarana sy fivarotana finday. Tao indray dia ny finday maro no nobatain’ireo. Rehefa azo avokoa izay nilaina dia niala tao an-tanàna amin’izay ary nizotra nandeha niantsinanana. Tonga ny zandary maromaro izay avy amin’ny borigady roa samihafa ary nanao ny fanarahan-dia saingy tsy nahitam-bokany. Toa efa hain’ireo olon-dratsy tsianjery ny toerana tokony handehanan’izy ireo mba tsy hahatratrarana azy mora foana. Ankehitriny dia mihorohoro ny sain’ny mponina ao Amboanjobe ary nanidy trano aloha be avokoa. Vetivety dia niparitaka rahateo ny vaovao tao an-tanàna. Mila fandraisana andraikitra maika satria mitady hanjaka tokana ny jiolahy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici