- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmboanjobe : Fipoahana dinamita, olona iray namoy ny ainy, telo hafa naratra...

Amboanjobe : Fipoahana dinamita, olona iray namoy ny ainy, telo hafa naratra mafy

Namoa-doza ! Lehilahy iray no maty vokatry ny fipoahana dinamita natao ho famakiana vato tetsy amin’ny « carrière » Amboanjombe omaly, tokony ho tamin’ny mitatao vovonana tany ho any. Olona telo hafa, lehilahy iray ary ankizy roa no naratra mafy ka voatery nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny voalazan’ireo olona teny an-toerana , mbola teo am-pamakiana ilay vatobe mihitsy ireto lehilahy roa ireto no nirefotra sy nitresaka ilay vato. Natsipin’ny fipoahana metatra maromaro mihitsy ity lehilahy manodidina 21 taona ity ary nisidina sy niakarapoka tamin’ny tany. Namoy ny ainy teo no ho eo avy hatrany. Naratra teo amin’ny tarehiny, vokatry ny fipoahana kosa ilay namany iray. Tetsy andanin’izay anefa, raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso hatrany dia nisy ankizy anankiroa nandalo teo amin’ilay toerana, ka naratra nipitihanan’ny poti-bato sy ny herin’ny fipoahana ihany koa. Voalaza hatrany fa tampoka be tamin’ireo olona niasa teo amin’ity toerana fangalana vato ity no nisian’ity dinamita nipoaka ity. Efa fanao mahazatra eny an-toerana ny fanapoahana vato amin’ity fitaovana mahery vaika ity, kanefa alohan’ny hisian’izany dia misy hatrany ny fampitandremana atao amin’ireo olona miasa eny. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, dia tsy nisy io fampilazana mialoha io matoa mbola niasa teo ambonin’ity vato nipoaka ity ireto roalahy ireto. Ankevitry ny mbola nisy vanja nilevina sy hadinodino angamba tao ambanin’ity vatobe ity ka ny hafanana nateraky ny fikapoahana ilay vato no nampipoaka ilay vanja. Tombatombana fotsiny io fa ny mpitandro filaminana no afaka hitondra fanazavana misimisy, amin’ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser