Tao anatin’ny herinandro vitsy izay, misy andian-dehilahy voalaza fa mampihorohoro ny mponina eny amin’ny faritra Atsimondrano indrindra, ny eny Amboanjobe sy ny manodidina. Volaza fa misy hatrany amin’ny 11 izy ireo. Saika isaky ny alina dia mahamarika ny fivezivezen’ireo andian’olona ireo ny mpiray tanana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa toa hoe mitilitily izay trano na toerana hotafihana, hono izy ireo. Ny tena mampatahotra ny olona dia ny fisian’ny petadrindrina nilaza nanao hoe : miomana ianareo fa ho avy izahay. Dia efa samy matory tsy rangaranga ny rehetra. Tsy vao ela akory, nisy zavatra niseho teny an-toerana. Nisy iray tamin’ireo andian’olona ireo tratran’ny tribihy misy fantsika ary naratra. Tsy niandry ela ny namany fa avy hatrany dia nitondra azy nandositra. Tsy fantatra moa na efa saika handroba ry zalahy tamin’izay na ahoana. Eo anatrehan’ny firongatry ny asan-jiolahy isankarazany, mandry tsy lavo loha ny mponina aty amin’ny renivohitra sy ny manodidina. Saika isaky ny alina mantsy no andrenesana fandrobana narahana herisetra izay indraindray amoizana ain’olona mihitsy. Amin’izao ankatoky ny fety izao dia efa nahazo baiko ny mpitandro filaminana samy ho mailo tsara amin’izay zavatra mety hiseho.
r.s.