Ny alin’ny talata hifoha alarobia, nisy fanafihan-jiolahy teny amin’ny tanàna antsoina Ambohimamory Amboanjobe eny Bongatsara. Vokatr’izany, lehilahy iray no naratra mafy ary mbola tsy mahatsiaro tena amin’izao fotoana izao. Lasan’ny mpangalatra ihany koa ny entana maro tao amin’ilay trano notafihany. Io alina io, andian-jiolahy no nanafika trano iray. Vehivavy lehibe sy ny zanany vavy no tao an-trano. Nahare izany ny mpifanolo-bodirindrina ka nisy sahy nivoaka. Nifanehitra tamin’ny jiolahy izy ary dia sahy nifampitana tamin’izy ireo. Be noho vitsy anefa ka farany reraka ary naratra ilay olona. Tamin’ny faritry ny lohany no tena voa voakapa sabatra. Niezaka nivoaka ny havany nefa dia voarahona. Tetsy andaniny, tafiditra ireo jiolahy ary dia naka izay tiany nalaina tao amin’ny tranon’ireo vehivavy mianaka rehefa avy namatotra azy ireo. Rehefa azon-dry zalahy izany dia nandeha niala ny toerana izy ireo. Gaga ny vadin’ilay lehilahy naratra fa tsy hita izy. Rehefa notadiaviny, hay efa nihosom-bovoka tany ivelan’ny trano. Nentina notsaboina haingana tany amin’ny hopitaly izy ary hatramin’izay dia mbola tena reraka tokoa.
r.s.