Tato anatin’ny volana maromaro izay dia nirongatra izay tsy izy mihitsy ny vaky fasana teny amin’iny faritra Atsimondrano sy ny manodidina iny. Tsy afa-bela tamin’izany ny tao Amboanjobe. Fasana iray no fantatra fa nisy namaky tamin’iny faritra iny ary saika nalain’ireo olon-dratsy avokoa ny taolan’ireo razana rehetra tao. Hatreto dia tsy fantatra mazava hoe oviana no nitranga ity famakiana fasana ity. Ny alakamisy lasa teo mantsy no tsikaritry ny olona sendra nandalo teny an-toerana ny fidanadanan’ilay fonenan’ny maty. Avy hatrany dia nampandrenesina ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy hizaha ifotony ity toe-javatra ity. Rehefa tonga teny an-toerana ihany koa ny tompon’ny fasana dia fantatra fa efa nikorontana tanteraka ny tao anatiny. Mitotaly teo amin’ny 16 teo ho eo ny razana voakitika sy nangalarina. Araka ny fanazavana azo dia ny karandohan’ireo razana sisa navelan’ireo mpangalatra fa saika lasan’izy ireo avokoa ireo taolan-dava rehetra. Ny mahagaga ny maro, vao iray volana lasa izay, fasana telo be izao no indray nasesin’ireo mpangalatra taolam-paty teny Ambohijanaka. Mitovy tsy misy valaka mihitsy ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy, satria dia tsy maka afa-tsy ireo taolan-dava izy ireo. Fa atao inona marina ary ? Hatreto aloha dia mbola tsy nisy nahavaly izay ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana. Ary ny mahalasa saina dia toa very an-javony fotsiny izany fa tsy mbola nisy tratra ireo mpangalatra. Ekena, misy ny iray sy roa fa amin’ny ankapobeny dia mbola miriaria sy manohy ny asa ratsiny foana ireo olon-dratsy sy izay atidoha mpaniraka azy ireo. Dia miraviravy tanana fotsiny sisa no azon’ireo olona very razana atao.
m.L