Manao ranolava ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tato ho ato izay. Omaly dia nandriaka indray ny rà tetsy Amboanjobe, raha vao afak’omalin’io no nisy loza nahatsiravina nahafaty olona ihany koa teny amin’ny Digue. Moto scooter kely, marika Yamaha Vino, no potipotika tsy nisy noraisina rehefa nifanehatra tamin’ny fiarabe iray tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, omaly maraina. Maty tsy tra-drano kosa ilay tovolahy, vao 20 taona monja nitondra izany kodiaran-droa izany. Araka ny angom-baovao azo teny an-toerana dia samy dian’ny handeha hiakatra izy ireto, na ilay fiarabe na ilay scooter. Hiaraha-mahalala anefa ny fahateren’iny lalana iny, izay sady ampian’ny fiakarana sy fiolanana, kanefa lalana ifenan’ny fiara roa. Tamin’io fotoana io, raha ny nambaran’ireo teny an-toerana, dia niezaka nisongona ity fiarabe teo alohany ilay mpitondra moto. Tsy fantatra mazava anefa teo izay tena zava-nisy na tsy afaka tamin’ilay fisongonana ity moto kely ity na nisy fiara nifanena tampoka ka voatery nanena ny hafainganam-pandehany teo am-pisongonana izy. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa voalaza fa tsy nahatazana azy velively ilay mpitondra kamiao. Vokany, nifatratra tany amin’ity fiarabe ilay scooter, nentin’ny onjan’ny fifandonana ka niafara tany ambany kodiarana aloha an-kavian’ilay fiara. Potika tanteraka sy nizara roa mihitsy ilay moto. Nipitika sy voahitsaka noho izany ihany koa ilay teo ambony moto. Namonto ny arabe ny rà. Maty tsy tra-drano ilay tovolahy, tsy nisy azo natao azy intsony. Tonga teny an-toerana avy hatrany taorian’ny fahenoana ny loza moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana, avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Andoharanofotsy, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana ary niezaka nandamina ny fifamoizana, izay nitohana izay tsy izy. Nentina nihazo ny tranom-paty moa ny razana. Ny mpamilin’ilay fiara ihany tsy maintsy nentina tany amin’ny biraon’ireo zandary atao famotorana. Amin’ny toe-javatra tahaka izao, indrindra fa nisy aina nafoy, na iza na iza no diso aloha dia tsy maintsy sokafana ny fanadihadiana.
m. L