Tsy latsaky ny folo ny isan’ireo olon-dratsy. Nitazona basy ny ankamaroan’ireo ary sady nisy ny poleta no nisy koa ny basy lava. Izay no tsikaritr’ilay fianakaviana voatafika tetsy Amboanjobe ny maraim-ben’ny alakamisy teo. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano izy ireo ary raha vao tonga tao anatiny dia narangaranga ny basy mba handrahonana ireo olona telo tao an-trano. Tsy nijanona teo anefa fa mbola nototoin’ireo tamin’ny fitaovam-piadiana ihany ireo olona mba hanaraka tanteraka izay baikony. Naratra avokoa ireo olona telo tao an-trano vokatr’izany. Raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana momba ity raharaha ity dia vola telo tapitrisa ariary no lasa tao. Tsy izay ihany anefa fa mbola nalain’ireo jiolahy koa ny firavaka izay hitany ary koa ny finday. Rehefa lasa ireo izay vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana. Niezaka nanao fisafoana sy ny fanarahan-dia ireo farany kanefa tsy hita intsony izay nanjavonan’ny jiolahy tao anatin’ny haizim-pito.
D.R