- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Dahalo 5 lahy azo sambo-belona, basy tsy ara-dalàna miisa...

Amboasary Atsimo : Dahalo 5 lahy azo sambo-belona, basy tsy ara-dalàna miisa valo sarona

Nandritra ny hetsika fampandrian-tanin’ny mpitandro filaminana tamin’ity herinandro ity, tany amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo, faritra Anosy, dia dahalo dimy lahy nitam-piadiana no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao amin’ny fokontany Mitray sy Marohotro, any amin’ny kaominina ambanivohitra Maromby. Sarona niaraka tamin’ireto malaso azo sambo-belona ireto ihany koa ny basy tsy ara-dalàna miisa valo nentin’izy ireo nanafika. Noho ny fisian’ny hetsika ataon’ny zandary any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny, dia miha mihena ny asan-dahalo any an-toerana, ary miverina tsikelikely ny fahalemana. Raha ny fanazavana azo, dia mitohy hatrany ny savahao eny ifotony sy ny fanentanana ary fanabeazana ataon’ ireo mpampandry tany mikasika ny paikady « Kalony » iadiana amin’ny asan-dahalo, sy ny fiambenana isan-tanàna, ary ny fanarahan-dia.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici