- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Dahalo telo maty voatifitra, avotra ilay zaza natao takalon’aina

Amboasary Atsimo : Dahalo telo maty voatifitra, avotra ilay zaza natao takalon’aina

Iza indray moa no handeha hanova tetik’ady mahomby ? Zary lasa fomba ratsin’ireo dahalo indray mantsy ity maka an-keriny olona eo an-tanana ity, ankoatry ny omby sy ireo entana sarobidy. Ka na io atao takalon’aina fotsiny tsotr’izao izany na atao fakàna vola amin’ireo fianakaviana. Zazalahy kely iray indray mantsy no avotra teny am-pelan-tanan’ireo dahalo tany amin’iny distrikan’Amboasary Atsimo iny. Tetsy andanin’izay dia fantatra fa dahalo telo no tsy afa-manao intsony ny asa ratsiny, maty voatifitra tao anatin’ny fifandonana. Ny zava-nisy : ny alakamisy tolakandro teo no nalain’ny dahalo mitam-piadiana telo lahy an-keriny tao Ambohitra, kaominina Tomboarivo, distrika Amboasary Atsimo ny ankizilahy iray, 14 taona. Nitaky omby roa sy vola eo amin’ny dimy hetsy ariary teo ho eo moa ireo dahalo ho tambin’ny famotsorana ity ankizy ity. Vao nahare fotsiny ihany ny vaovao nisy ireo zandary miasa any amin’ity faritra ity dia nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany, tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy niaraka tamin’ireo fokonolona teo an-tanana. Tsy lasa lavitra fa adim-pamantaran’andro roa monja taty aoriana dia nifankatratra ny roa tonta, ireo olon-dratsy nitondra ilay ankizy sy ireo mpanara-dia. Raikitra tamin’izany ny fifandonana. Fifamaliana tifitra variraraka no nandrovitra ny fahanginan’ny tampon-tanety. « Vokany, avotra soa amantsara iilay ankizy. Olontsotra iray mpanaradia avy amin’ny fokonolona no naratra kely. Tetsy andanin’izay kosa, lavo avokoa ireo dahalo telo, tsy misy omby na vola azon’ireo dahalo » hoy ny vaovao. Tsiahivina fa vao ny afak’omaly no nomena fankasitrahana ireo miaramila mpampandry teo anivon’ny Zrps, izay nahavita nanavotra ankizilahy kely ihany koa teny am-pelan-tanan’ny dahalo, tokony ho herinandro lasa izay, mbola tany amin’iny distrika iny hatrany. Angamba tsy nety fay tamin’ny fifandonana nisy tamin’io andro io ireo dahalo tany an-toerana ka mbola io nanandrana hafa io indray taty aoriana. Kanefa dia izao nandamoka sy nandraingiraingy tanteraka izao indray rehefa nifanehatra tamin’ny zandary. Araka izany inoana fa ho avy tsy ho ela ihany koa ny fanomezam-pahakasitrahana an’ireto mpitandro filaminana ireto amin’izao vokatra azon’izy ireo izao. Misimisia ny fihazakazahana amin’ny tsara toa izao …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici