- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Enim-bolana tsy nandray ny FRAM

Amboasary Atsimo : Enim-bolana tsy nandray ny FRAM

Tamin’ny desambra 2018 no nandray tambin-karama farany ireo « Maître Fram » any amin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, ka sahirana mafy ireto mpanabe bokan-trosa ireto ankehitriny, satria na dia vola hividianana savony sy atao sakafo aza tsy misy. « Voaroaka tsy mianatra ny zanakay, satria tsy mahefa ekôlazy intsony. Ny hafa voaroaka amin’ny trano ipetrahana fa tsy mahaloa hofan-trano, nefa maro aminay ireo no efa niasa 10 taona mahery, nefa tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana raikitra, ka anaovanay antso avo amin’ny fitondram-panjakana », hoy ireto mpampianatra. Manoloana ny fahasahiranan’ireto mpanabe, dia matetika tsy afa-mampianatra izy ireo fa mitady vola manao « kibaroa » any ivelany mba hivelomana. Vokatr’izany, raha ny vaovao voaray, dia lasa mihena am-pitoerana toy ny fen’antitra ireo zaza mamonjy sekoly, izay tsy marisika intsony, ka velon-taraina ireo Ray aman-dreny mampiana-janaka any amin’ity Distrika saro-dalana mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ity. « Vonjeonareo ireo mpampianatra Fram aty Amboasary Atsimo », hoy antson’ireo ray aman-dreny any an-toerana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici