- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona fito maty voatifitra, niditra an-tsehatra ny Kapiteny...

Amboasary Atsimo : Fanafihan-dahalo, olona fito maty voatifitra, niditra an-tsehatra ny Kapiteny Faneva

Taorian’ilay ratra nahazo azy volana vitsivitsy lasa izay, niverina amin’ny heriny indray ny kapiteny Faneva, ary dia niroso avy hatrany nandeha nanara-dia omby very sy nifanandrina tamin’ny dahalo. Nihanahery vaika indray mantsy ny asan-dahalo tany amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny. Tao Amboasary Atsimo, ny talata lasa teo, olona fito no indray ny namoy ny ainy taorian’ny fanafihan-dahalo mivaivay tany an-toerana. Telo tamin’ireo no fokonolona mpanara-dia, ireo efatra ambiny kosa dia dahalo. Raha ny zava-nisy dia dahalo teo amin’ny 34 lahy, nirongo basy no nanafika ny tanànan’Antsira, ao amin’ny kaomina Marontsiraka, io marainan’ny talata teo io. Na dia soko aza no nangalaran’ireto dahalo ny omby 40 mahery dia nisy nahatsikaritra ihany izany. Natao ny fanarahan-dia izay mizotra mihazo ny kaomina Mahabo any amin’iny distrikan’i Betroka, raha ny fampitam-baovao. Nisy ny fifanandrinana teo amin’ireo dahalo sy ireo fokonolona mpanara-dia. Maty voatifitra tamin’izany ny tompon’omby. Olona roa kosa no lavon’ny balan’ireo olon-dratsy tamin’ireo fokonolona. Nisy olona roa naratra mafy, voatifitra teo amin’ny tendany sy tapaka tongotra havia. Nidina avy hatrany tany an-toerana ary nanohy ny fanarahan-dia ny zandary 20 izay tarihin’ny Kapiteny Faneva, niaraka tamina fokonolona vitsivitsy. Nentina novonjena haingana tao amin’ny hôpitaly tao Tsivory kosa ireo naratra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici