- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Lehilahy notapahana tenda dia nalevina mitsangana

Amboasary Atsimo : Lehilahy notapahana tenda dia nalevina mitsangana

Fifanolanana vokatry ny disadisam-piaraha-monina no niteraka vonoan’olona. Mpiray tanàna ary mbola mpihavana, araka ny filazan’ny mpiray tanàna. Niainga tamin’ny loharanom-baovao azo tany an-toerana no nahafantarana fa nalain’ny andanininy  ny ombin’ny ankilany. Omby miisa 17 ireto nangalarina ireto. Rehefa natao ny fikarohana dia tratra ireo omby. Mba tsy hahasarotra ny raharaha dia niangavy ny tompon’omby mba haverina aminy ao anatin’ny fotoana fohy ny fananany. Tsy nanaiky ary tsy rototra anefa ny ankilany. Tato aoriana, nitsiry ny hevitra fa tsy maintsy atao izay mety. Taoriana kelin’ io, tazan’ny anankiray tany an-kavoriana ilay naka ny omby. Tsy nisalasala izy naka an-keriny an’ilay voatondro ho naka ireo omby, nentiny tany ivelan’ny tanàna. Tsy nisy alaharo fa avy hatrany dia notapahiny tamin’ny antsy maranitra ny vozony. Nijininika ny ra! Tsy ampy fotoana firy, maty ity farany ary, nalevin’ilay olona namono tamin’ny lavaka efa nomanina. Natsangany dia nototofany. Voalaza fa efa nahafantatra ny fisian’ity tranga mahatsiravina tany Bedaro-Amboasary Atsimo ity ireo solontenam-panjakana sy ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana. Andrasana izay mety ho tohiny. Amin’izao fotoana dia toy ny famono akoho ny fanapahan-tenda any amin’iny faritra Anôsy iny.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser