- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Maty voatifitry ny pôlisy i Mindry, jiolahy raindahiny

Amboasary Atsimo : Maty voatifitry ny pôlisy i Mindry, jiolahy raindahiny

Teo amin’ny tsenan’Amboasary Atsimo, ny andron’ny sabotsy teo, jiolahy iray efa fanta-daza tanteraka amin’ny resaka asan-dahalo sy fanafihana no maty voatifitry, rehefa avy nifanenjehana. Nitrangana fanafihana nifanesisesy tao amin’ny tananan’Amboasary tao ho ao izay. Noho izay antony izay indrindra dia nisy ny hetsika nataon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, izay tafiditra ao anatin’ny fandrindrana fahalemana any an-toerana. Tao anatin’izany paikady izany ny fanaovana fisafoana tsy an-kijanona tao an-tanàna. Tamin’ireny karazana fisafoana andro sy alina indrindra no nahafahana nahazoana ity vokatra ity, raha ny fampitam-baovao azo. « Nandritra ny fisafoana izay natao tany Amboasary ny 18 febroary tokony ho tamin’ny 11 ora teo amin’ny tsenan’Amboasary dia jiolahy iray efa malaza amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana no nitsoaka avy hatrany raha vao nahatsikaritra ny pôlisy ». Teo anatrehan’izay fihetsika nampiahiahy nasehoan’ity olon-dratsy dia rafitra nanao ny fanenjehana avy hatrany ny pôlisy. Noho ny fahaizany ny toerana dia efa lasa lavidavitra ihany izy, saingy tsy nahasakana ireo mpanenjika izany. Tany amin’ny fokontanin’Ankofafa vao tra-tehaka ity farany, kanefa mbola niezaka hatrany nanohy ny fandosirany. « Nampandre azy mba tsy handositra intsony ny pôlisy kanefa dia vao maika nirifatra ihany ity farany. Voatery nampiasa ny basy teny an-tanany araka izany ny pôlisy ary nitifitra azy » hoy ny fampitam-baovao azo. Voan’ny bala araka izany ity farany ary lavo, tao anaty rà mandriaka. Nezahina novonjena ihany moa saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny fahaverezan-drà be loatra, nahazo azy. Hita tamin’ny fitsirihana ny razana moa fa ity farany ity ilay fantatra amin’ny anaram-bositra any an-toerana hoe Mindry. Jiolahy izay isan’ny nampitondra faisana ny mponina sy malaza ratsy amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra moa dia natolotra ny fokonolona ho amin’ny fandevenana ny razana. Ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana kosa dia mbola mitohy, hikarohana izay mety ho mpiray tsikombakomba aminy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici