- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Mitaky ny hamerenanna ny ombiny ireo mpanao dabokandro

Amboasary Atsimo : Mitaky ny hamerenanna ny ombiny ireo mpanao dabokandro

Anisan’ny mampitondra faisana ny faritra any atsimon’ny nosy iny ny resaka halatra omby. Manoloana izany dia henjana dia henjana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo omby any an-toerana. Anisan’ny niharan’izany ireto mpanao dabokandro sady mpivarotra omby avy any Ampanihy Avaratra sy Betroka ireto. Nambaran’izy ireo ary, araka ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly, fa notazonin’ny zandary ny ombin’izy ireo niisa 538. Tamin’ny faran’ny volana jolay lasa teo no nitrangan’izany. Nanambara moa Razafimahatratra Takita, isan’ireo mpivarotra omby, fa noho ny taratasy tsy mazava no antony nitazomana ireto omby ireto. Nomarihany anefa fa narahiny daholo ny fombafomba tokony hatao  amin’izay taratasy mety hilaina amin’ny fividianana ireto omby ireto, ary efa ho 20 taona no nanaovany io asa io fa tsy mbola nahitany olana. Mitaky ny hamerenana ny ombiny, araka izany, izy ireo.

Nangonin’i Dominique R.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser