Raim-pianakaviana iray, 46 taona, monina ao Ambasy, kaominina Berano-ville, any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo no nisy nanafika ny Alakamisy 1 aprily voatafika ny alakamisy 1 aprily lasa teo. Mpanjono ny asany ary manam-bady aman-janaka izy. Nahazo famatsiam-bola tamin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena “Fihariana” izy, ny volana febroary 2021. Manodidina ny 7 tapitrisa ariary ny azony tamin’izany. Niroborobo ny asany noho io famatsiam-bola io. Tsy nahafaly ny olona sasany mpiray tanàna aminy anefa izany ka nahatonga izao asa ratsy izao. Jiolahy 7 ka ny telo nitondra basy ary ny 4 nitondra famaky no nanafika ny tokantranon’ity raim-pianakaviana ity ny alin’ny 1 aprily tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 minitra tany ho any. Nokapakapain’ireo jiolahy tamin’ny famaky avy hatrany izy. Voa ny lamosiny, hatony, lohany ary handriny. Nidaraboka tsy nahatsiaro tena teo no ho eo izy. Ny vadiny kosa nandositra nanavo-tena ary niafina tany anaty raketa nitondra an’ilay vola tetikasa Fihariana. Rehefa noheveren’ireo mpanafika fa maty ilay rangahy dia lasa indray izy ireo nitady an’ilay ramatoa, saingy tsy nahita azy. Tsy nokitihan’izy ireo kosa ny zanak’izy mivady. Taorian’izay, noentina any Ambovombe Androy ary tsabona ao amin’ny CHRR Monja Jaona ilay rangahy. Araka ny vaovao farany dia omaly 5 aprily 2021 izy vao nahatsiaro tena. Manoloana izao voina nahazo azy mianakavy izao dia manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena i ramatoa Zafisoa Liliane vadin’ity lehilahy naratra ity, satria tsy mandry fahalemana ny tanànan’izy ireo. Sahirana ny vahoaka raha toa ka vao manomboka miharin-doha dia izao sahady no manjo. Manahy mafy ny hoavin’izy ireo ity ramatoa ity satria ireo nahavita izao fanafihana izao dia olona iray tanàna amin’izy ireo ihany ka manao vava sahady fa tsy higadra velively satria manana omby azo hamahana ny olana eo no ho eo rehefa samborin’ny zandary na halefa eny amin’ny fitsaràna. Ny ampitson’io 1 aprily io ihany ihany dia nitrangana fanafihan-dahalo ihany koa tao amin’ny tanàna iray, anatin’ny kaominina Berano Ville, ka omby 50 no lasa ary olona iray no namoy ny ainy. Fantatra moa fa mbola tsy misy paositry ny zandary na irony miaramila manao fisafona ambanivohitra irony ny ao Berano Ville.
Nangonin’i T.M.