Hamehezana ny asan-dahalo, haharitra volana iray ny hetsika “coup d’arrêt”.
Noresahina tao amin’ny Filankevitry ny minisitra omaly ny momba ny raharaha any Amboasary Atsimo, izay naompana indrindra tamin’ny faharetan’ny hetsika «coup d’arrêt». Haharitra eo amin’ny iray volana ity hetsika ity. Mirongatra izay tsy izy mantsy ny asan-dahalo any an-toerana. Teo ihany koa ny fifanandrinan’ny tanàna roa, izay nahafatesana olona 22, tany Andranondambo, tamin’ny faha-8 may lasa teo. Teo anoloan’ireo zavatra ireo no nandraisana ity fanapahan-kevitra ity. Nanomboka tamin’ny voalohan’ny taona 2014 dia nahery vaika ny asan-dahalo. Tsy nangalatra omby fotsiny ireo andian’olona ireo fa mandroba sy nandoro trano, namono olona ary naka takalon’aina. Tao anatin’ny roa volana farany, aprily sy may, miisa 34 ny asa ratsy vitan’ireo malaso. Very tamin’izany ny omby 3 572 ka ampahany kely fotsiny no tafaverina, 1 807. Tamin’izany halatra marobe izany dia mpitandro filaminana 4 sy olon-tsotra 12 no namoy ny ainy. 77 kosa ireo dahalo maty. Koa mba hamehezana izany rehetra izany no nandraisana ny fanapahan-kevitra.
Tsy hijanona any amin’ny Faritra Anosy fotsiny anefa ny hetsika fa hatao any amin’ireo toerana hita fa mbola anjakan’ny halatra omby sy asan-jiolahy maro. Faritra maromaro no hanatanterahana izany : Androy, Atsimo Andrefana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Ihorombe, Melaky, Bongolava ary Matsiatra Ambony.
Nangonin’i r.s.