- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : voatafika ny CSB, voavely basy ny mpitsabo

Amboasary Atsimo : voatafika ny CSB, voavely basy ny mpitsabo

Rehefa miha ritra ny omby, dia tsy mifidy olona tafihana intsony amin’izao ireo malaso any amin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy. Ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny valo ora, notafihan’ny dahalo nitam-piadiana ny mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny CSB Ranobe, ka naratra mafy voavely vodibasy sy voakasi-tànana ny mpitsabo lehiben’ny tobim-pahasalamana sy mpampivelona (rasazy) miasa ao amin’ity CSB II ity. Avy eo norobain’ireo olon-dratsy avokoa ny fananan’izy ireo. Raha ny vaovao voaray, efa fanindroany izao ity dokotera mpitsinjo ny madinika ity sy ny mpiara-miasa aminy no notafihan’ny dahalo tao amin’ny toeram-piasany sady fonenany. « Efa mihoatra ny loha ny zava-misy ankehitriny, ary mihatra aman’aina mihitsy ny fanatanterahana ny asa, ka manaitra ny sain’ny tompon’ andraikitra rehetra mba hamaha haingana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy sy mahazo laka », hoy ity dokotera mpiasam-bahoaka ity. Ny tranga toy izao matetika no tsy mahatamana an’ireo mpiasam-panjakana  any ambanivohitra lazaina fa tany lavitra andriana, satria mahatsiaro tena ho tsy voaaro izy ireo, nefa manolotena hoan’ny tanindrazana hanasoa ny mpiara-belona.

Eric Manitrisa

 

Toliara 

Faty efa simba hita teny amn’ny « port »

Fatin-dehilahy iray efa nibontsina simba tanteraka, ary nohanin’ny biby ny tapany ambany amin’ny tongony roa, no hita natopan’ny onja teo amin’ny fefiloha rarivato amin’ny seranan-tsambon’i Toliara, afak’omaly maraina, tokony ho tamin’ny valo ora. Olona sendra nandalo handeha hiasa no nahita ny razana, ka io no nanaitra ny manodidina. Taorian’izay, tonga teny an-toerana nizaha ifotony ny zava-misy sady nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Rehefa nohamarinina, dia raim-pianakaviana iray 50 taona mahery kely eo, monina ao amin’ny Fokontany Tsimenatse Ouest, izay miasa amina orinasa iray mikirakira momba ny trondro ao Toliara ity lehilahy hita faty ity. Araka ny nambaran’ny havan’ny maty, ny sabotsy teo, nanomboka tamin’ny enina ora hariva no tsy hita popoka i Edgard René, izay salama saina tsara. « Nanao ny fikarohana rehetra azy izahay, na tamin’ny filazana tamin’ny radio io, na tamin’ ireo olom-pantatra mety handehanany sy tamin’ny toerana falehany matetika, nefa tsy nahitam-bokany izany ». Taorian’ny fizahana ny razana nataon’ny mpitsabo, dia nanokatra fanadihadiana lalina amin’ny fomba mety  ho nahafaty an’ity raim-pianakaviana ity ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tena marina mahakasika ny raharaha, na maty nisy namono ity lehilahy ity, na maty an-drano vokatry ny hamamoana be loatra.

Eric Manitrisa

 

Ambatondrazaka

Nirodana ny FJKM Vohidiala Finoana

Rehefa nolemen’ny hamandoana noho ny rotsak’orana nisesy tato ho ato, dia nirodana afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora latsaka folo, ny trano fiangonana FJKM Vohidiala Finoana ao Ambatondrazaka. Araka ny fanazavan’ny Mpitandrina Nafotsy Amédée, nihotsaka ny tafo, rava hatramin’ny rindrina, ka ampahan-drindrina sy ny tilikambo sisa nijoro. Ireto farany, izay tsy maintsy harodana tanteraka mba tsy hitera-doza hafa indray, satria hita fa nitriatra taorian’ny firodanan’ny tafo. « Taona vitsy lasa izay dia nasiam-panavaozana ny trano fiangonana, nakarina ho avoavo ny rindrina ary nasiana latsa-tsimenitra manemitra azy. Tombanana ho tsy nahazaka ny vesatry ny latsa-tsimenitra ny rindrina rehefa nolemen’ny hamandoana matetika vokatra ny rotsak’orana nisesy tato ho ato, ka nitarika ny fihotsahana sy firodanan’ny rindrina », hoy hatrany ity Mpitandrina ity, nanohy ny fanazavana. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ny firodanan’ny fiangonana ity, saingy potika avokoa ny ankamaroan’ireo fitaovana tao anatiny.

Eric Manitrisa

 

Maroantsetra

Dimy lahy nangalatra moteran-dakana

Rehefa nahazo fitarainana ny mpitandro filaminana, ary nisy olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao marim-pototra ny polisy avy ao amin’ny « Commissariat de Sécurité Publique » Maroantsetra, ka taorian’ny vela-pandrika natao an’ireo olon-dratsy, dia voasambotra, afakomaly, ny dimy lahy avy any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambanizana, izay ikoizana amin’ny halatra moteran-dakana. Tra-tehaka niaraka tamin’ireto jiolahy ireto ihany koa ny motera  roa avy nangalarin’izy ireo. Taorian’ny famotorana lalina natao an’ireto jiolahy azo sambo-belona, dia natolotra ny Fampanoavana izy dimy lahy, ary naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra avy eo, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

Eric Manitrisa

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici