Taorian’ny fifandonana nahery vaika nisy teo amin’ireo dahalo sy ny mpitandro filaminana, dia omby maloto 1 352 no tra-tehaky ny Tafika mpampandry tany (Bataillon Opérationnel Avancé n°3) tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ranobe, any amin’ny Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, ny zoma teo. Taorian’izay, dia natolotra ny Zandarimaria sy ny Kaominina ao Ebelo ireo omby, ary nataon’ireto farany ny fanentanana sy fampahafantarana ny zava-misy, fa izay rehetra very omby dia tsy maintsy mitondra bokin’omby, mba hahalalana ny tena tompon’omby marina. Raha ny vaovao voaray farany, tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia omby 80 monja no tafaverina tamin’ny tompony, fa ny ambiny kosa mbola tazonina ao amin’ny Kaominina, miandry izay mety ho tompony haka azy, miaraka amin’ny taratasy ara-dalàna.
Eric Manitrisa