- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Omby 42 isa lasan’ny dahalo, mpanara-dia 02 maty voatifitra

Amboasary Atsimo : Omby 42 isa lasan’ny dahalo, mpanara-dia 02 maty voatifitra

Nandritra ny herinandro, nifanesisesy tsy ankijanona ny trangana halatra omby narahina vono olona tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Esira, Distrikan’ Amboasary Atsimo, Faritra Anosy. Afak’omaly, nandritra ny fanafihan-dahalo nitam-piadiana nitranga tao amin’ny Fokontany Ankilotelo, dia omby miisa 20 no lasan’ny malaso. Raha vao nandre antso mahakasika ity fandrobana ity ny mpitandro filaminana, dia nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny Fokonolona. Raikitra ny fifadonana tamin’ny dahalo tao Marovitsika, ka mpanara-dia iray maty voatifitra. Raha ny vaovao voaray hatrany, notafihan’ny andian-dahalo nirongo basy tao amin’ny Fokontany Esira Centre, ny alin’ny alahady teo, ka omby miisa folo no voaroba. Taorian’ny fandrobana dia nanara-dia ny Fokonolona, ka mpanara-dia iray no maty voatifitry ny dahalo tao amin’ny Fokontany Manombo, ary iray hafa naratra mafy ka mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaliben’ Ambovombe Androany hatramin’izao. Ny iray novembre teo kosa, tokony ho tamin’ny 11 alina, omby miisa 12 no lasan’ny dahalo tao Esira hatrany. Niazo ny Kaominina ambanivohitra Marovitsika iny ny lalan’ ireo malaso nandroaka ny omby avy nangalarin’izy ireo. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo, ary amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy fahavalom-pirenena, dia tonga ao Esira omaly (raha ny vaovao farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra), ireo miaramila mpampandry tany ao Amboasary Atsimo sy ny zandary avy ao amin’ny « Groupement Anosy ».

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici