jeudi, avril 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmboasary Atsimo : Tobin’ny zandary, tadiavin’ireo malaso an-jatony hotafihana

Amboasary Atsimo : Tobin’ny zandary, tadiavin’ireo malaso an-jatony hotafihana

Tranga tsy faheno firy no nisy tany amin’ny kômina ambanivolon’ Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo ny faran’ny herinandro teo iny. Ny zoma teo, araka ny loharanom-baovao azo antoka, tadiavin’ireo malaso an-jatony hotafihana ny tobin’ny zandary ao Ifotaka. Noho ny hery sy ny fitaovana ampiasaina tsy mitovy, mivarahontsana, matahotra ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Voatery niantsovonjy nila tanana avy ao Amboasary Atsimo sy Fort-Dauphin. Raha ny vaovao, nahasambotra malaso-2 ny zandary tao Ifotaka. Notazonin’ireo zandary tamin’ny toerana fametrahana olon-dratsy. Io no voalaza fa tsy levon’ny vavonin’ireo malaso ka nahavoatery azy ireo nihevitra fa hanafika ny toby. Vao naheno izany ireo zandary tao an-toerana niantsovonjy avy hatrany. Efa any an-toerana hatramin’iny faran’ny herinanadro teo iny ireo andiana zandary avy ao Amboasary Atsimo sy Fort-Dauphin tarihin’ny Cdt de Cie.Amin’ny ankapobeny tsy mbola mandry fahalemana ny faritra Anôsy.

Rom Farady

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser